HIRA SKOTO

Iza no ho namanay


1- Iza no ho namanay (bis)

ref:

hamakivaky rony ala

rony ala feno jala

jala feno tranon’kala

nefa ny andro mamanala

1(tohiny)- Iza no ho namanay

Ho namanay (bis)

Iza no ho namanay

ho namanay (bis)

Iza no ho namanay

2- Izahay andeha koa (bis)

Izahay andeha koa

ref

2 (tohiny)- Izahay andeha koa

Andeha koa(bis)

Izahay andeha koa

Andeha koa(bis)

Izahay andeha koa


Efa reko....


Efa reko hatry ny elabe ny antsonao ry taniko
Ary tsapako tokoa izao 'zany hetahetanao
Fa vonona aho ny hanasoa anao
Ry tany tiako, mamiko !!!
Fa tily aho ka matokia ianao
Ny aiko re no fetrako



Ianao ry ('lay) fiangonako, mila olom-baovao
Feno hery sady vonton'ny fanahy
Ka hijoro tena sahy
Raha asa fitoriana no atao, dia efa vonona aho izao
Fa tily aho ka matokia ianao
Ny aiko re no fetrako


Fiainam-pifalina


fiainam-pifalina ao anaty fitsikana
mampikorina ny andronay
fa hehy lalan-dava sy hira ao am-bava
no mapisava ny sentonay
Tsy tily mantsy dia mirakitra ao anaty
fo haravoana
fo tia dia tia izahao
Ka tsapao fa ny tena itempoany
sy andaniany fotoany
asa soa fifalina fiadanam-po

Na oram-batravatra no mamely tsy miantra
de tsy handratra ny tsikinay
hainandro be mandoro
ao an-dala- mahatoro
tsy hampikoroko ny hehinay
Ny tily mantsy dia mirakitra ao anaty
fo haravona fo tia dia tia
izahao ka tsapao fa ny tena itempoany
sy andaniany fotoany
asa soa fifalian fiadanam-po


Mila aina ianao ry tany


Mila aina ianao ry tany,
Aina miaina toa anao
Aina mety ny ho lany
Ka miteraka hery vao.

Njao mafana re ny rako
Misy hery anatiko ao
Ho Tily aho no miteny
Ka lazao zay hafatrao
ry Madagasikara Nosiko

Apetraho fa ho vitaiko
HATRAMIN'NY FARA-FOFON'AIKO


ILAINA ISE !

Hirao hira vaovao
Miantso anao ny Tanindrazanao
aina fanahy hery vao
enti-miasa ho an'ny taninao

Aza adinoina ireo
Mahantra maro efa trotraka
Fa malagasy izy ireo
miaritra ny fahoriana

Tily izao isi izao
Sahy mijoro tena lehilahy
ka hanolotena indray
Ka hampita ny Tanindrazana

RF : Ilain'ny Tompo Jeso tia ianao
Hitory Fahamarinana
Amboarinao ny lalana alehan'ny
Olona notiaviny .


O! AVIA

He tazanay mitsiky ery ny andro ho avy mankaty
Hiainga izahay hitsen ny ho avinay
Ka velonkira ny fonay
Ka dia tra-la-la herin-tsaina
Fo tena tia no tokin'aina
fandavan-tena notefena
No enti-manompo ny firenena
Ny malagasy manatena
Fiainan-tsambatra omena
Fo tanora anay
o !avia avia mankaty
o! avia ,fa vonona izahay
 

























Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :