Tantaran'ny Fivondronana

Publié le par SAMPATI 134

  Tamin'ny taona 1994 no tonga tao amin'ny FJKM Ambohimiadana Fanilo ny Fanabeazana Skotisma izay nohetin'ny Fiangonana Rahavavy FJKM Ambodiafontsy Martiora
Navitrika dia navitrika tokoa ny fikambanana tamin'izany koa dia tafatsanagana ofisialy teo anivon'ny Fiangonana sy ny MTEM tamin'ny taona 1996 , ary nahazo ny laharana 134.
Nisafidy ny loko Mena sy Mainty ho lokon'ny fehitenda satria amin'ny maha-fanilo ny Fiangonana dia noraisina ho trigetran'ny Fivondronana koa izany.
Teny amin'ny faritra tokoa mantsy dia nalaza ny fanompoan-tsampy fahiny koa noho ny tonga ny fivavahana Kristianina dia rava izany

MENA : Mariky ny Fanilo, Mirehitra,Fahazavana izay midika ilay Fivavahana Kristianina

MAINTY : Haizina, ilay Fanompoantsampy
 
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
C
Io ry zalahy ny Site-tsika Hampandrosohy @zay ny Fivondronana
Répondre