Mercredi 4 janvier 2012
3
04
/01
/Jan
/2012
13:02
Notanterahana tao @ FJKM Ambohimiadana Fanilo ny Alahady faha 27 Novambra 2011 teo ny famaranana ny fankalazana ny faha 15 taona ny fivondronana faha 134.
Nandritry ny volana Novambra moa dia niakarakara ny fihetsiketsehana Scout Event 2, ary nofaranana t@ ny fampisehoana niarahana tamin'ny tarika Voahangy !
Par SAMPATI 134
0
Lundi 16 août 2010
1
16
/08
/Août
/2010
10:41
T@ 11 JOLAY 2010 TEO NO NISY RAHARAHA INDRAY TAO @ FIVONDRONANA
NATOLOTRA HO TONIA :
- KILANDY MAHATOKY
- TSORENITRA Maranitse
FANEKENA MPIANDRAIKITRA :
Par SAMPATI 134
1
Jeudi 12 mars 2009
4
12
/03
/Mars
/2009
15:26
Efa tafatsangana izao ny Birao vaovao ary efa feno tsara koa ny mpiandraikitra omena eto ny sary @ manaraka eh!
Par SAMPATI 134
1
Jeudi 12 mars 2009
4
12
/03
/Mars
/2009
12:57
NY FANEKENA
. Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ary fahasoavan'i Jesoa Kristy, lohan'ny Fiangonana no anekena fa hanompo an'Andriamanitra hiasa ho an'ny tanindrazana sy ny namana ary hanoa
ny lalàn'ny Tily.
Iray ny Fanekena
Tsy manavaka firazanana na foko na fiaviana ; ho sakaizan'ny olona rehetra, manahaka an'i Baden Powell (Bipi izay namorona ny skotisma).
Ny TOE-JATOVO FILAMATRA : raha misy tokoa zatovo mankato ny lalàna dia ho filamatra izy. Ny lalàna mantsy dia tokony hajaina sy arahina na eny am-pilalaovana, na any am-pianarana, na eny
an-dalam-be, an-karihary na ao amin'ny mangingina. Na manao fanamiana na tsy manao.
LALANA TILY
1- Tokan-teny ny skoto
2- Mahatoky ny skoto
3-Vonona hanasoa ny
hafa ny skoto
4 Havan’ny olona rehetra ny skoto
5- Mahay manaja ny skoto
6- Manaja ny voahary ny skoto
7- Mpankato ny skoto
8- Mihira sy mitsiky ny skoto raha sendra ny sarotra
9- Sahy mahery fo ary maharitra amin’ny asany ny skoto
10- Madio eritreritra, fiteny ary fitondran-tena
ny skoto



Par SAMPATI 134
1
Mercredi 11 mars 2009
3
11
/03
/Mars
/2009
13:49
Tamin'ny taona 1994 no tonga tao amin'ny FJKM Ambohimiadana Fanilo ny Fanabeazana Skotisma izay nohetin'ny Fiangonana Rahavavy FJKM Ambodiafontsy Martiora
Navitrika dia navitrika tokoa ny fikambanana tamin'izany koa dia tafatsanagana ofisialy teo anivon'ny Fiangonana sy ny MTEM tamin'ny taona 1996 , ary nahazo ny laharana 134.
Nisafidy ny loko Mena sy Mainty ho lokon'ny fehitenda satria amin'ny maha-fanilo ny Fiangonana dia noraisina ho trigetran'ny Fivondronana koa izany.
Teny amin'ny faritra tokoa mantsy dia nalaza ny fanompoan-tsampy fahiny koa noho ny tonga ny fivavahana Kristianina dia rava izany
MENA : Mariky ny Fanilo, Mirehitra,Fahazavana izay midika ilay Fivavahana Kristianina
MAINTY : Haizina, ilay Fanompoantsampy
Par SAMPATI 134
1